Antsiranana : Olona marobe nitaky fitsaram-bahoaka
Nitady fitsaram-bahoaka ny olona ary tonga marobe teo amin’ny biraon’ny polisy. Ny antony dia ny fandrenesan’iretsy voalohany fa voasambotra ny olona namono ny mpamily taxibe iray tao an-toerana. Vao nandre izany dia tonga nirodorodo teny amin’ny kaomisaria, indrindra ny havan’ny maty. Voatery nohamafisina avy hatrany ny fiambenana ny toerana ary tonga teny hatramin’ny miaramila sy ny zandary nanampy ny fiambenana. Noresahina nilamina anefa ireo olona marobe ary nampahafantarina...