Ambohimiandra : Fatin’olona nohanin’ny alika
Tsy nisy namantarana azy intsony satria efa potika tanteraka. Nizara roa aza ilay razana ary niparitaka erak’ilay toerana. Omaly maraina no nisy nahita izany. Ny olona mpandalo eo an-toerana no nahatsikaritra fofona ratsy. Rehefa nohatonina dia taolan-doha sy ampahana nofon’olona efa simba no hita teo sy nitangoronan’ny lalitra. Ny akanjo izay mbola rovidrovitra sy niparitaka teo amin’ny manodidina dia vao mainka nanamarina fa vatan’olona ilay hita. Raha araka ny mpitandro ny...