Antsiranana : Mampimenomenona ny olona ny kolikoly eny amin’ny fitsarana
Mampikaikaika ny olona ny fahamafisan’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana. Nitaraina ireo vondrona kandida ben’ny tanàna tsy miankina sy olon-tsotra any Antsiranana manoloana ny zavatra nisy sy nitranga, mahakasika ny fitsarana momba ny Raharaham-pifidianana farany teo. Misy ny trangana kolikoly, izay miseho amin’ny endriny maro ary taratra avy izany satria nahitana trangana fitongilanana Mpitsara amin’ireo olona manan-draharaha sasantsasany, amin’ny fanomezana vahana ny manana...