Antsirabe : Voaendaka ny mpanao selfie
Vao tsy ela akory ary vao latsaky ny iray volana aza no notokanana ity tsangambato vaovao akaikin’ny Kisomby ity. Tsara dia tsara ny fotodrafitrasa ary manintona olona maro, na izany ny mpizaha tany na ny olona ao an-toerana. Ny tanora dia betsaka no mandalo eny an-toerana ary manamarika izany amin’ny alàlan’ny fakàna sary ny tenany na « selfie ». Teo koa nampitsiry ny hevi-dratsin’ny mpanendaka. Misy efa miandry fotsiny miaraka amin’ny antsibe ary maka ny findain’ny olona...