Fenoarivo Atsinanana : Trano 520 tafo, may kila forehitra
Saika ny antsasamanila’ny tanana rehetra no nolevonin’ny afo tao anatin’ny ora vitsy monja. Hain-trano mahatsiravina nitranga tao amin’ny tananan’Antseranamatso, ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Vohipeno, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia tokony ho tamin’ny folo oray niainga tamin’ny trano iray, izany afo izany, niha-nihatatra noho ny tsio-drivotra ary nandevona ireo trano rehetra...