Antanimena : Fiara nodomin’ny lamasinina

Tafavoaka mialoha ny mpamily sy ny olona tao anatiny ary avotra soaman-tsara. Ilay fiara kosa no potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony. Lozam-pifamoivoizana tsy dia fahita loatra raha eto an-drenivohitra ny fifandonan’ny lamasinina sy ny fiara. Omaly anefa dia nitranga izany tetsy Antanimena ambany, tsy lavitry ny Cask PK0. Fiara kely iray marika Vokswagen no nikarainkona tanteraka, rehefa voadona sy voatariky ny lamasinina iray mpitondra solika, handeha hiditra ny gara eo Soarano....
Lire la suite sur Midi Madagascar
Image à la une de Antanimena : Fiara nodomin’ny lamasinina