Anjozorobe : Mpitondra moto maty voahitsaky ny camion
Nandriaka ny rà tao an-tampon-tanan’Anjozorobe tao, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Lehilahy iray, nitondra moto handeha hody no voahitsaky ny fiarabe iray, rehefa nifatratra tany ambanin’ity farany ny kodiaran-droa nentiny, teo Ambodimanga. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso tany an-toerana dia hoe somary nandeha mafy ity mpitondra môtô ity. Ny lalana rahateo fidinana kanefa misy fiolanana. Tamin’izay fotoana izay no nipoitra avy any ilay fiarabe nifanena taminy. Mety...