Antanimbary-Maevatanàna : Lehilahy iray no hita faty nihantona tao an-tranony
Tsy dia fantatra mazava ny antony nahatonga an’ilay lehilahy iray nanantona tady, tao afovoan-tranony, fa ny olona teny anivon’ny fiaraha-monina misy azy no nampandre ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana, rehefa nandalo sy nisava ny tranony. Raha hotantarana tokoa ny zava-nitranga dia ny andron’ny faha 27 Janoary taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny iray ora mahery 15 minitra no nampandrenesin’ny lehiben’ny vakim-paritra fahefatra eny amin’ny fokontany, any...