Anosizato : Ramatoa maty voatifitra vao maraina
Tokony ho tamin’ny fito ora maraina no nirefotra ny basy tetsy Anosizato omaly. Raha araka ny fanamarinana natao dia nisy “cash point” nisy nanafika teo an-toerana. Vita izany dia nitsoaka ireo roa lahy farafahakeliny. Teo no nifanena tamin’ny ramatoa iray ary tsy fantatra mazava izay tena nitranga fa avy hatrany dia notifirin’ireo jiolahy ary maty tsy tsa-drano. Omaly no tonga nametraka fitoriana ny havan’ny maty ary omaly ihany koa dia efa nanomboka nanokatra fanadihadiana ny...