Arivonimamo : Dahalo raindahiny maty voatifitra
Lehiben’ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Dede no maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Raha ny fampitam-bavovao azo dia teo am-pikononkonona fanafihana mihitsy ity farany, niaraka tamin’ireo namany no nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana tao amin’ny toerana antsoina hoe Antorendrika, fokontany sy kaominina Ambatomanga amin’ny distrikan’Arivonimamo. Raikitra teo ny fifandonana....