Anosizato Andrefana : Tovolahy nanolana zaza 11 taona, nadoboka eny Tsiafahy
« Indimy nanandrana nampiditra an-tery ny mahalehilahy azy tao amin’ilay zaza izy saingy mitoreo mahararay foana ilay zaza dia ajanony … ». Ekena fa tsy mbola nisy fanolanana ara-bakiteny saingy eo imason’ny lalàna dia efa feno ny fepetra ahafahana manenjika ara-keloka an-dratovolahy. Etsy andanin’izay, nampitondra taikatra an’ilay zaza ny zava-dratsy nataony. Voalaza mantsy fa niha-niova foana ny fandehan’ity lasibatra ity. Zava-nitranga mahatsiravina tao Anosizato...