Anosimiditra-Maevatanàna : Dahalo efapolo mitam-basy nanafika tanàna
Nirefodrefotra tsy nisy fandrenesana ny poa-basy nataon’ireo malaso efapolo lahy tao an-tampokara, any amin’ny tanàna atao hoe: Anosimiditra, fokontany sy kaominina Maria ihany, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny marainan’ny alahady faha 6 Aprily taona 2025 teo, tokony tamin’ny dimy ora tany ho any no nisehon’izany, raha ny fampitam-baovao voaray tamin’Atoa ben’ny tanàna any an-toerana hatrany. Nihezaka nanohatra ny vatan-dehilahy teo an-tanàna, saingy maro ireo...