Anosiala : « Epicerie » voatafika, vehivavy sy ankizy iray naratra
Tsy nisy afa-tsy vehivavy iray 22 taona sy ankizilahy kely iray no natory tao amin’ity tsena ity, tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo jiolahy. Mora tamin’ireto olon-dratsy araka izany no nifehy azy mianaka ireto, ary nanararaotra nibata izay zakany tao an-tsena, rehefa avy nandratra azy ireo. Zava-nitranga tao amin’ny fokontany iray, tao Ambohinaorona, Anosiala ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any mantsy no notafihan’ny jiolahy, roalahy tsy...