Ankizy lasibatry ny fanolanana : Misy misoloky amin’ny anarany sahady
« Mba mangataka fanampiana ho anareo izay tsara sitrapo na fikambanana fa handalo fandidiana i H… ilay zazakely voaolana (…) Ity ny numero ho an’izay handefa vola 034XXXX » Ampahany amin’ny ranty tao amin’ny facebook izay hita niparitaka indray tany ho any. Anisan’ny trangan-kerisetra ara-nofo nianjady tamin’ny ankizy kely, nahabe resaka sy nampiontana ny fon’ny maro, indrindra fa ireo tao anaty tambajotra sosialy ilay nahazo ity ankizivavy kely teny Imerintsiatosika...