Ankazobe : Nodorana velona tao an-tranony ny notafihana
Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao amin’ny fokontany antsoina hoe Tranokambana, kaominina Fihaonana ary distrikan’Ankazobe. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, manodidina ny tamin’ny valo ora alina no tonga nanafika ny roapolo lahy mitam-piadiana. Kalachnikov sy Mas36 ireny no nampiasain’ireo jiolahy, ankoatr’izay mety ho fitaovam-piadiana hafa. Ny taim-bala hita teo an-toerana no nahafantarana an’izany. Tokantrano iray no lasibatr’ireo andian’olon-dratsy....