Anjozorobe : Jiolahy raindahiny maty voatifitra
Nihena iray indray aloha ny lehiben’ny dahalo, nampitondra faisana ireo faritra maro tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Lehilahy iray, efa hikoizana sy karohina fatratra no lavon’ny zandary, tao anatin’ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy hafa namany, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny zandary, ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny tanàna iray ao anatin’n kaominina Ambongamarina. Raha ny nambaran’ny fampitam-baovao dia efa ny faharoa ny volana janoary lasa teo no...