Anjozorobe : Fitolahy nanao fanamiana mpitandro filaminana naka an-keriny olona telo
Nahatratra hatrany amin’ny telopolo lahy tany ho any no tonga nanafika tao amin’ity tanan’Antsevakely Atsimo, ao amin’ny kaominina Ambohimarina Marovazaha any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, ny marain’ny alakamisy teo. Saingy ny fitolahy tamin’izy ireo, izay nolazain’ireo mponina toa ati-dohan’izany fanafihana izany ary nitondra ireo olona telo mianaka, nalain’izy ireo an-keriny. Basy kalaky miisa telo no teny amin’izy ireo, niaraka tamin’ny Mass 36 iray. Izy fito...