Andoharanofotsy : Reny ahiana ho namono ny zanany nosamborina
Ramatoa iray no nosamborin’ny zandary avy teo amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny voalohan’ny herinandro teo. Antony, ahiana fatratra sy voarohirohy ho namono nahafaty ny zanany vao teraka kely, sahabo ho roa volana teo, hoy ny fampitam-baovao, ary nanary ny vatana mangatsiakan’ity tsy manan-tsiny ity teny amin’ny fanarim-pako. Ny zava-nisy tokoa mantsy, ny tolakandron’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tany ho any dia nahazo antso ny zandary mahakasika...