Filaminana eto Toamasina : Betsaka ny mpisoloky ankehitriny
Tena mivadika biby mihintsy ny olona nakehitriny amin’ity tsy fananam-bola nefa te-mba hanana ity, misy dia sahy misoloky ankitsirano ny olona sasany ka tsy mifidy asiana antsony amin’ny fikasan-dratsy ataony. Tovolahy iray teto Toamasina no nikasa hivarotra ny moto scooter RSZ ireny tamin’ny alalan’ny tambanjotran-tserasera, “facebook”, no voasoloky ankitsirano ny alahady atoandro teo. Nifanao fotoana tamin’ny alalan’ny tambanjotran-tserasera aloha izy ireo, ka teo...