Andilamena : Jiolahy namono zandary, maty voatifitra
Jarivo ny anarany. Efa enin-taona izay no nokarohina izy rehefa namono nahafaty ny zandary iray, ny Adjudant Noara. Efa tamin’ny taona 2018 no nitranga ilay heloka bevava. Omaly tamin’ny roa ora maraina no raikitra ny tifitra raha nikasa ny hitsoaka izy, tao Antsomanga, fokontany iray ao amin’ny kaominina Bemaitso, distrikan’Andilamena. Raha ny fanazavan’ny zandary dia ny talata lasa teo izy io no azo sambo-belona. « Rehefa avy niafina nandritra izay enin-taona izay dia niverina...