Ampanotokana Ambohidratrimo : Jiolahy tratran’ny fokonolona, niharan’ny daroka
Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity olon-dratsy ity no tra-tehaky ny fokonolona ka tsy afa-niala intsony. Nisy tamin’ireo nahatratra no tsy nahatsindry fo, efa leon’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ka avy hatrany dia nidaroka ity olon-dratsy. Naratra vokatr’izany ity farany, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny an-toerana, araka ny fampitam-baovao azo. Tranga niseho tetsy Mahatehilaza, ao amin’ny fokontany Anosivolakely, kaominina Ampanotokana,...