Analanjirofo : Fianakaviana 2 294 nisitraka kara-tany
Tokantrano amanarivony indray no nisitraka kara-tany tao amin’ny faritra Analanjirofo. Ankoatran’ny hafainganan’ny fomba fiasa dia tsy dia misy ny vola aloan’ireo mpisitraka ka nahavelom-bolo azy ireo izany. Ny faritra Analanjirofo indray no nisitraka ny hetsika fizarana kara-tany faobe. Misy amin’ireo mponina ao anatin’ity faritra ity no efa nikarakara ny taratasy mahakasika ny tanin’izy ireo nanomboka ny taona 1972 saingy tsy nahazo izany nohon’ny antony maro...