Ampasampito : Halatra moto nandritry ny fahatapahan-dàlana
Mbola nisy nahavita nangalatra moto ihany omaly nandritry ny savorovoro momba ny raharaha fako. Ny olona sy ny polisy mbola variana nanisaka ny dabam-pako, ny rangahy iray kosa dia zavatra hafa mihitsy no natosiny moramora : kodiaran-droa. Efa lasa lavisavitra izy ary hitan’ny polisy fa tsembo-dratsy. Nanomboka teo ny fanahiana. Nosavaina ny taratasin’ny moto ary voamarina fa tsy azy velively. Tsy nila famotorana akory dia efa fantatra fa moto avy nangalarina ilay natosiny. Teo ihany dia...