Ambatovy Toamasina : Thailandais maty namono tena
Vokatry ny fikaroham-baovao natao no nahalalana fa nahitana olona maty namono tena tao amin’ny faritra fitoeran’ny mpiasa avy any ivelany ao amin’ny orinasa Ambatovy Toamasina, io ilay atao hoe BH09. Hatairana ny an’ireo mpiambina nahita ity teratany Thailandais efa tsy nisy aina intsony tao amin’ity efitrano fandriany ny talata 27 febroary lasa teo. Raha ny vaovao voaray dia nihantona tamin’ny tady ny tenany tamin’ny nahitana azy, teo amin’ilay fitoerana Rideau no nisy azy...