Ambohimanarina : Roa lahy mpamaky trano voasambotry ny fokonolona
Teo am-pikenokenonana ny hanao ny asa ratsiny mihitsy izy roa lahy ireto no voapaingotry ny pôlisy, rehefa tra-tehaky ny andrimasom-pokonolona teny amin’iny faritra Antanety Avaratra, tetsy Ambohimanarina iny, omaly tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Mbola azo lazaina fa mbola tanora avokoa izy roa lahy ireto, satria dia 20 sy 27 taona, izay tsy afaka nankaiza intsony rehefa voahodidina. Araka ny fanazavana nomen’ny pôlisim-pirenena, « naharay antso avy amin ‘ireto...