Tatsy sy taroa
# Nosy-Be. Namono tena fa tsy navela hifoka sigara. Tovovavy iray mbola tsy ampy taona akory (17 taona) no tsy nahazaka ny fananaran-dreniny. Izany dia mahakasika ny fandraràna azy tsy hifoka sigara. Nalahelo mafy ary naka fanafody maro ary nandrapaka izany. Soa ihany anefa fa mba nisy nahita izy efa nitsirepirepy ary nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Mba avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. # Tanà. Ankoatra ny lavaka efa mahazatra, mbola misy manala indray koa ireny sarona...