Ambohimanambola : Nodarohiny ny « crush »-ny, hitany nampiaraka tamin’ny olon-kafa
« Tsy nieritreritra ny hanendaka ireo mpifankatia izy fa kosa tsy zakany ny nahita ny « crush »-ny (ndlr crush : olona tsiriritina) nampiaraka tamin’ny lehilahy hafa … ». Hafa dia hafa mihitsy ity tranga niseho tetsy Andraisoratra, Ambohimanambola ity, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Lehilahy iray no voarohirohy tamin’ny resaka fanendahana sy fandratrana mpifankatia teny an-toerana. Voasambotra ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana afakomaly. Raha ny vaovao...