Ambohimalaza : Taxi-brousse nivadika, roa naratra mafy
Amin’ny andro antoandro, tsy misy orana ary maina ny làlana no nivadika tany anaty hantsana ilay fiara fitaterana mitondra ny marika Mazda. Avy any Ambatomanga izy io ary mpitatitra olona miakatra eo Ambohimangakely sy an-drenivohitra. Nivadika ambony ambany tany anaty hantsana efa ho 20 metatra. Olona roa izay notateriny no tena naratra mafy ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly akaiky indrindra. Vita izay, noho ny fahasarotan’ny fahavoazana, dia voatery nentina niakatra...