Ambatondrazaka : Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny pôlisy
Tapitra hatreo indray aloha ny dian’ity olon-dratsy, efa nokarohin’ny mpitandro filaminana ela tao an-drenivohitr’Alaotra tao. Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo, nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanjevoan’ny pôlisy sy olon-dratsy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Lehilahy iray no lavo nandritra io fifandonana io, izay fantatra taty aoriana fa isan’ireo jiolahy rain-dahiny tompon’antoka tamin’ireo fanafihana maromaro nitranga tany an-toerana. Nandritra ny fisafoana...