Ambato-Boeny : Fifanandrinana tamin’ny dahalo, iray maty, telo naratra
Resy tosika ny dahalo ! Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny tanànan’i Antanandava/Saonjo, ao amin’ny fokontanin’i Mariarano, kaominina Ankirihitra, distrikan’Ambato Boeny, ny alakamisy teo. Dahalo maherin’ny 20 lahy tany ho any, izay nirongo zava-maranitra sy basy no nandroaka ny omby am-polony maro tao an-tanana. Taorian’io fanafihana io ihany dia niray hina avy hatrany ny fokonolona, nanao ny fanarahan-dia rehefa avy nampandre ny zandary tany an-toerana....