Ambalanjanakomby – Maevatanana : Dahalo efatra matin’ny zandary
Samy ao anatin’ny tambajotran-jiolahy matanjaka izy ireo, hoy ny fanazavana azo. Mbola misy ireo tafatsoaka ary efa eo an-dalam-pikarohana izany ny zandary. Ny faran’ny herinandro lasa teo, nahazo vokatra tsara ny teo anivon’ny fari-piadidian’ny zandary tao Mahajanga, tamin’ny fandravàna ireo andian-dahalo mahery vaika, nampihorohoro ireo kaominina maromaro tany an-toerana. Ny zoma lasa teo tokoa mantsy dia telo amin’ireo andian-dahalo, voarohirohy ho isan’ireo nanafika tao...