Alasora : Faty teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be
Vehivavy iray no hita faty teo Alasora, teo anoloan’ny « arrêt » taxi-be, zotra 163. Ny talata alina, tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka kely no hitan’ny olona izany na dia tao anatin’ny orana aza tamin’io fotoana io. Ny tsikaritry ny olona sasany izay mpivezivezy amin’ny fiara amin’iny làlana iny dia vao haingana talohan’io no tsy teo io razana io. Izany hoe azo eritreretina ny hoe na nisy nandona na koa efa maty tany an-toeran-kafa dia natsipy teo avy eo. Tonga teny...