Mahabe-Betsiboka : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanolana zana-bady
Mihazakazaka be ny raharaha, rehefa eo am-pelatanan’ny Zandary, manoloana fisiana tranga fanolanana tany amin’ilany atsimo disitrakan’ Tsaratanàna, efa ho iray volana mahery lasa teo izany. Araky ny vaovao izay nivoaka teto amin’ny gazety mpiseho isan’andro, dia nahitana fanolan-jazavavy dimy taona, tany amin’ny toerana hoe atao hoe: Mahabe, fokontany ao ihany, kaominina Breville, ato anatin’ny faritra Betsiboka, ny faha-25 Febroary Janoary lasa teo. Naheno sy nahazo...