Alasora : « Chauffeur » taxibe, namoy ny ainy teo am-pamiliana
Loza mahatsiravina no nitranga tetsy Alasora ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Fiara mpitatitra iray, avy ao amin’ny « zotra F » no nivarina an-kady, niaraka tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Namoy ny ainy, ilay mpamily, hoy ny fampitam-baovaon’ny kaominina raha fito tamin’ireo mpandeha tao anatiny kosa no naratra ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo. Araka ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana, nanatri-maso ny zava-nisy dia avy any Ambohitanety ity fiara ity ary...