Tetikasa Volobe faharoa : Hamokatra herinaratra 120MW ny taona 2030
Miroso hatrany ny tetikasa Volobe faharoa na ny “Volobe amont” izay toby famokarana herinaratra hatsangana ao Toamasina II. Vokatra izany dia nampahafantarina ny zoma teo ny ivotoerana fampahalalam-baovao ny tetikasa, izay hita ao amin’ny birao fiasany eo Tanamakoa trano “Steamliner Box 6”. Napetraka ity ivotoerana ity mba entina ampahalalana ny be sy ny maro ny fizotra sy ny fandehan’ny asa rehetra atao aloha sy mandritra ny fananganana ny tetikasa Volobe faharoa, izay...