Madagasikara, 70 taona taty aoriana : fandrosoana sa fihemorana ara-tsosialy ?

Miverina amin’ny boky “Eto Madagasikara, Nosy Malalantsika” nosoratan’i René Carle tamin’ny 1952, ilay lahatsoratra dia mampitaha ny fiainam-pirenena tamin’izany sy ankehitriny. Raha mbola mitovy amin’ny sary nentin’ny boky ny fomba fiaina ankehitriny amin’ny faritra maro, dia manitikitika ny fanontaniana hoe: efa mandroso ve i Madagasikara sa mihemotra ? Ny fitohizan’ny fahantrana sy ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa manara-penitra dia mampisalasala amin’ny valiny.

Tamin’ny 1952, mbola andron’ny Fanjanahantany, dia nisy boky fianarana nosoratan’i René Carle ary noravahan’ny sary sangan’asan-dRamanda, isan’ny mpanao hoso-doko malaza. Vita dika-teny roa, malagasy sy frantsay, izany boky kely izany : «Eto Madagasikara, Nosy Malalantsika». Enimpolo ny Tantara fohy ao anatiny, mampiseho ny fiainan-dRalay, zazalahy kely ambanivohitra. Ankoatra ireo Angano (Besorongola, Darafify, Ikotofetsy sy Imahakà, Trimobe sy Sohitika, Soafara), lasa ny...
Lire la suite sur