Tahotry ny repoblikana: handevim-belona ny Demokrasia
Na isan’ireo sokajian’ny maro ho mpanonofy sy vendrana aza ireo izay manantitra fa tany demokratika i Madagasikara, dia tsy mahamenatra ahy ny milaza fa isan’izy ireo aho. Taranak’ireo sady nanoratra tanatin’ny vanim-potoana saritsarim-pahaleovantena (literatiora), no namaky ny « Tantaran’ny Andriana » ; hany ka kely ny tena dia mba nahavita nanavaka ny demokrasia amin’ireo rehetra tsy mitovy, na farafaharatsiny izay mifanipaka aminy. Isan’ny fampitaha voalohany tamin’izany...