Barikadimy : Mpampianatry ny oniversite nidaroka mpianatra
Azo « vidéo » avokoa ny zava-nitranga satria teo imason’ny mpianatra hafa izay tsy nisalasala naka porofo tamin’ny finday. Nosintomin-drangahy tamin’ny vozon’akanjony ilay mpianatra ary nokendainy. Soa ihany fa tovolahy mbola matanjaka ary afaka nanala ny tanany. Mihejan-droa tanteraka ny tady. Andaniny, ny mpianatry ny sampana fitantanana (mention Gestion) ary ankilany ny lehiben’io sampana io eo anivon’ny oniversite Toamasina. Io farany izay takian’ny mpianatra ny fialany...