Miandry tantana

Voatabihan’Ampefy, koban’ny Talata-Volonondry, saosisin’Ambanitsena : toerana mifalavitra ihany ireo. Fa dia mahagaga mitovy fomba ratsy ireo mpivarotra azy. Vao manontany ny vidin’ny iray amin’ireo, tsy mba ilay olona tompon’entana niresahana voalohany no hany ifanatrehana fa mirohotra manatona avokoa izay mpivarotra manodidina eo. Olona dimy mpivarotra voatabiha, olona folo mpivarotra koba, olona roapolo mpivarotra saosisy. Mifandrombaka miteny, mila hisintona mihitsy anao...
Lire la suite sur