Fitateran’ny fahantrana
Ny fahantrana no niteraka ny taxibe. Hatramin’ny taona 1970-1980, mbola nisy soa aman-tsara ny «autobus». Nahay nanaja «arrêt» ny olona ; nahay nifanaja ny mpandeha rehefa misy ny «toerana voatokana» ho an’ny raiamandreny (mbola nisatroka sy nitafy lamba) na ny mitondra vohoka, na ny mitrotro zazakely ; nahay nanaja ny asany sy ny mpandeha ny orinasa sy ny mpamily.Faramparan’ny taompolo 1980, izahay nianatra teny Ankatso, efa taingimbe ankisisika tsy nisy fanajana filaharana...