Fahagolan-tany 2070 taona, iarahabana ny 2024
Vita randrana manao tanaivoho ny volony, mandroso ny saokany fa tsy miditra, mivohitra tampin-kandrina, lava orona somary mifaingoka midina ny tendrony : izany hono ilay Mpanjakavavy egyptiana, Kleopatra, nahasodoka tanteraka ireto jeneraly romana roalahy, dia Jules César (-47) sy Marc Antoine (-41). Dimampolo taona talohan’i J.-K., izany hoe efa ho 2070 taona lasa. Heverin’ireo mpikaroka fa mitovy taona amin’izany, 2100 taona, ireo kisarisary hita tao amin’ny zohin’Andriamamelo,...