Anosy : Nitsoaka ilay fiara nahafaty renim-pianakaviana
Ramatoa izay hamonjy fiangonana vao maraina ny andron’ny taom-baovao no niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Teo Anosy no nitranga izany ary maty tsy tsa-drano ilay olona voadona. Mpianaka izy ireo no niaraka dia ilay ramatoa sy ny zanany lahy izay mbola kely. Ilay zaza mba tsy naninona nandritr’ity lozam-pifamoivoizana ity, saingy kosa hitany ny nahafatesan-dreniny. Ny « enjoliveur » izay latsaka teo an-toerana no nahafantarana ny marik’ilay fiara nandona. Ny lokon’ny fiara kosa dia...