Arabe tapahim-poana tsy ahoana
Nakatona ny “rond-point” Ankadimbahoaka izay mivily avy hatrany mandeha “route digue” mamonjy Anosizato. Atao mifandimby ny miditra sy mivoaka an’Antananarivo eo amin’ny tetezan’Anosizato, ka misy fiantraikany hatrany Ampita(n)tafika, Anosi(m)patrana, Anosibe. Indraindray koa, atao “double sens” Analamahitsy-Ambohitrarahaba ka raha avy any Avaradrano tsy maintsy mihodina lavitra vao tafody Andrononobe izay eo akaiky eo. Ekena, mety hoe ezaka fandaminana, nisy fotoana. Saingy...