Antsirabe : Feno 20 taona ny sekoly teknika Saint Jean Andraikiba
Nisy lamesa lehibe nandritra ny lanonana tao st Jean Andraikiba. Isan`ireo sekoly zokiny ao Andraikiba ny Sekoly Saint Jean. Moro ireo olona manana toerana ambony, nandrato fianarana tao amin`ity sekolim-pinoana ao Andraikiba ity. Ny taona 1971 no niorenan`ny sekoly Sain Jean fa ny sekoly teknika no izao feno 20 taona izao. Tsy namela izany handalo fotsiny ny tompon`andraikitra ny sekoly fa nisy hetsika maro loko natao nentina nanamarihana izany jobily faha 20 taonan`ny sekoly...