Andro diso kalendrie
Efa nanary bodofotsy, no indro miverina manampy akanjo bà. Ankoatra ilay fodilahimena tokana tazako folo andro lasa, dia efa indreo tafaverim-bolo tokoa ry zareo. Miova ho azy sa nakorontantsika olombelona ny toetrandro ? Sao tsy manaraka ny kalendrie, izay mbola famaritan’olombelona, no fahendrena fa mijery ny zavaboary ?Atsy, mitsimoka ny laingom-boasary. Ny raviny maitso tanora, mateza jerena ery. Ny fody tsara fahana etsy ambaravarankely sy ny hazo tsara tondraka etsy andavarangana ve...