Alaotra : Foara rezionaly, tafapetraka ny Fihavanana
Natao tao anatin’ny fihavanana sy firaisan-kina tokoa ity foara rezionaly ity. Ny sabotsy lasa teo no natao ho ivon’ny fankalazana ny foara rezionalin’ny faritra Alaotra Mangoro, ary natao ho fanokanana azy tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka. Nosalorana ny anarana hoe « Fihavanana 2024 » izay foara izay ary hita taratra tanteraka tamin’ny fandraisana anjara mavitrik’ireo zanaky ny faritra sy ireo zanaka am-pielezana izany manerana...