Asa any Canada : Vehivavy roa mpisoloky voasambotry ny polisy tetsy 67ha
Anisan’ny tokotany filalaovan’ireo olon-dratsy sy mpisoloky isan-karazany mihitsy ity resaka asa any am-pitandranomasina ity. Ho an’ity tranga ity, nampitain’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, dia resaka fandefasana olona hiasa any Canada no nahavoarohirohy ireto vehivavy anankiroa voasambotr’izy ireo ireto. Teny amin’iny faritra 67ha iny, ny andron’ny talata lasa teo. Fisolokiana avo lenta, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Vola efa manodidina ny enina tapitrisa ariary...