VAKINANKARATRA : LIONS CLUB ANTSIRABE RANOVISY : Nanome fitaovanaho an’ny Hopitaly atsimo
Hanatsarana ny tolotra ara pahasalamana sady hanatevenana ny fitaovana ara pandidina ao amin’ny Hopitaly Atsimo CHRR no antony nanoloran’ny Lions Club Antsirabe Ranovisy sy ny fikambanana Claira fitaovana mifandraika amin’izany. Ny zoma faran’ny herinandro lasa teo no nanolorana ireo karazana fitaovana ireo tao amin’ny CHRR, natao ho an’ny daholo be ity fanampiana ity ary afaka misitra izany avokoa rehefa tsy salama manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly. Nitarika ny...