Tsy fandriam-pahalemana eny Anosizato : Miray tsikombakomba ny mpivarotena sy ny mpanendaka
Ireo mpirevy amin’ny alina no mazàna lasibatra… Nanova paikady indray mantsy ireo tontakely eny amin’iny faritra Anosizato iny. Mba hanatevenana misimisy kokoa ny “vola miditra” dia nanantanteraka fiaraha-miasa vaovao izy ireo, izay tsy iza fa ny sasantsany amin’ireo tovovavin’ny alina teny an-toerana. Araka ny fampitam-bavovaon’ny zandary, izay nandray fepetra haingana nanoloana ity tetidratsy ity, dia nisy avy hatrany ny fidinana ifotony teny an-toerana ka nahatratrarana...