Tsaratanàna : Votsotra nandritra ny fifampitifirana ilay vehivavy nalaina an-keriny
Tsy niandry ela ireo Zandary any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna, rehefa naheno ny trangana kidnapping niseho, tao amin’ny tanàna atao hoe: Bevondrona, fokontany Malamamaina, any amin’ny kaominina ambanivohitra Brieville, disitrikan’i Tsaratanàna ny alin’ny faha-25 Febroary taona 2025 teo, tokony tamin’ny sivy ora mahery 45 minitra tany ho any, fa tonga dia niroso tamin’ny farahan-dia tsy nisy hatak’andro, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana...